Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Université d'Antananarivo MADAGASCAR

Voninkazo adaladala

VONINKAZO ADALADALA 

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO 11 janoary 2002

Date de dernière mise à jour : Mon 05 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam