Créer un site internet

Vola fitopolo

Vola fitopolo

Vola fitopolo sisa teo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...
fa maro moa ny ankizy,
ka betsaka izaitsizy
ny vola lany taminy...

tao ny vary laniny,
tao ny vidim-boky, ny sisa sy ny sisa
tsy hainy hotantaraina, tsy hary ho voatanisa,
Nefa koa ny asa, tsy manahoana loatra :
mpandahadohavavy, tsy afaka manoatra...
Ka vola fitopolo sisa teo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin' ny karamany...

"Nefa rahampitso dia krismasy,
k'ireto ankizy,
hoy izy,
sao mangasihasy,
raha toa ka tsy mba manana
kilalao an-tànana...
Ka 'ndeha mba hojerena
aloha izay eny an-tsena..."
Nefa fitopolo sisa teny an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany.

  Izatsy moa no inona?
Ary ireto hoatrinona?
hoy ny teny ataony eny rehetra eny.
Mamaly ny mpivarotra : "sivifolo ireny"...
...ireto raha mitambatra, hataoko ariary zato
sao heverinao fa dia mamatovato..."

Dia saikatra ny sainy,
mangotsoka ny ainy,
fa vola fitopolo sisa no eo an-tànany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany...

Nifindra kely indray fa toa nangaihay...
Dia nanontany koa,kanefa,ombieny ombieny
nitovy avokoa ny valin-teny reny.
Ka hany hery sisa nampionona ny fo
tsy handany vola, fa lafo loatra moa...!

Kanefa dia ahoana raha tonga any an-trano
ka hoe mipitrapitra ny ankizy, tsy angano?
Henoiny ny ao avaratra, jereny ny ao atsimo
ka milalao farara sy mampandihy tandrimo...
ny azy irery kosa no 'ndreo mangasihasy,
nefa rahampitso dia krismasy...

Niala nenina izy, kanjo tena sarotra
fa ambany loatra izato fiady varotra.

Hany hery sisa : somaingisaingy nody
Tsy avy hanozon-tena, na koa hiantso tody...
Fa fitopolo mantsy sisa teny an-tanany
ambin' ny "davansy" tamin'ny karamany ...


               RADO ( 12 Des. 1971 )

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire