Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Université d'Antananarivo MADAGASCAR

Ny tantarantsika

NY TANTARANTSIKA

Topimaso iray tan-kisendrasendra
nifanomezantsika
segondra vitsy monja
taty aoriana ela...
Dia azo namakiana ny tantarantsika
Tsy nisy mpahalala
afa-tsy izaho sy ianao nanoratra azy.

Segondra vitsy monja, 
tsipelatra nandalo
dia velon-tsoratra ao
irony tany Ananona sy ny tany Ananona...
Penina iray fa tànan'olon-droa
no nanoratra azy...
Ny sisa tsy tadidy
dia ny topimaso niverim-panindroany
no namerenana azy...
Avy eo dia mody
tsy mifankahalala... Kanefa, tany anaty
niverina namaky
ilay tantarantsika.

RADO - 1988 

Date de dernière mise à jour : Mon 05 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam