Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Université d'Antananarivo MADAGASCAR

Matoky anao

Matoky anao

Isaorako Anao izay nitondranao ahy
na masoandrovao na ali-mampanahy
Izay matoky Anao:arovanao tanteraka
tsy avelanao ho lao,tsy avelanao ho reraka

Firifiry moa ireo andro nifaliana
no tsapako tokoa fa mamy sady zina
firifiry koa ireo andro nioriana
no tsapa tao am-po fa mando,tsy makiana

Raha matoky Anao, ny soa manjary fatratra
ny tsara koa vao mainka tena tonga lafatra
Raha matoky anao,ny ratra mety sitrana
ny ali-maizim-pito manjary feno kintana

RADO

Date de dernière mise à jour : Fri 02 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam