I Dada ve?
Ilay tadiaviko ny sandriny amin'ny andro maizim-bolana
Fa ny azy irery moa no tanjako sy reharehako
Ilay manao ny tsy hain'i NEny fa mitondra ny ala olana
Rehefa hitany aho fa vaka eny an-dalana alehako.
Nefa izy ihany koa no 'lay misangy ny mahery
Hanazatra ahy hitolona amin-java-manahirana
Izy ilay mampianatra ahy hahay mizaka irony fery
Tsy hikentron-tava akory fa hitsiky sy ho mirana
Izy ilay nitarika ahy hanidy trano miaraka aminy
Sao tafihim-pahavalo tsy mpoizina ny trano.
Izay kinendriny amin'io? Hay ny saiko no nomaniny
Hahay mitandro toetra soa tsy hidiran'ny angano.
Dia toetra tsy mitovy amin'ny sentom-pon'i Neny
Fa mahery vaika izay rha miteny sy mandrindra
Nefa koa ankehitriny, sahiko eto ny miteny
Fa Idada no sakaiza sady mahatoky indrindra.
Rado
15 Mey 1994