Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Université d'Antananarivo MADAGASCAR

Fakam-panahy

Fakam-panahy

Maso mitopy malefa-pijery
kanefa miangoty no sady mahery
fa tara-pitia manomboka hamelana
te hanakaiky tsy misy elanelana

ka dia tsaroako mamoha vavahady
hambabo ny foko ho resy tsy miady

tiako handosirana nefa hiverenako
raha ihodivirana sao hanenenako

kanefa iny lahy,
raha mbola miverina
dia fakam-panahy
tsy tiako hotoherina

RADO

Date de dernière mise à jour : Mon 05 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam