Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Université d'Antananarivo MADAGASCAR

Eritreritra fahavaratra

Ny eritreritra fahavatra

 

Mijononoka moramora ny orana avy ariva

Ny alina madiva

Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany,

Ka hitondra any ho any…

Any ho any, nefa aiza ? Aiza ho aiza, ry Fanahy

Toa reraka, manahy ?

Aiza ho aiza no hampita izao nofonifinao

Izay mameno, no injao Mihodinkodina ao am-po,

mihodinkondina ao an-tsaina

Toa rano nohafanaina.

 

Jean Joseph RABEARIVELO

Date de dernière mise à jour : Fri 02 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam