Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

Asa izany

Asa izany

Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany,
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo,
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo,
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko,
Ka mivetso ny fitiavako. O antony, fantaro!

DOX

Date de dernière mise à jour : Mon 05 Jul 2021

Ajouter un commentaire

Anti-spam