Créer un site internet

VITAO HATRAMIN’NY FARANY

VITAO HATRAMIN’NY FARANY

Be ny mora kivy am-piatrehana ny fiainana,
Anaty fitaintainana.
Ny zava-kinasa tsisy tody hatramin’ny farany,
Maty ankaranany.

Avy eo niova nitady làlana hafa indray,
Tena niolomay.
Vao nandroso lavidavitra, dia niato kely,
Nahatsiaro toa very.

Hany hery nijanona, nipetraka lasam-borona,
Ny loha efa nitorona.
Ny tarehy nivaloarika, feno hakiviana,
Tsy nisy nahaliana.

Nahazo hery kely, niezaka ny niarina,
Sao mba tafarina.
Nierikerika nijery ny tontolo manodidina,
Hay takon'ny rindrina.

Nijery làlana hafa indray mety mahasoa,
Tsy toy ny teo aloha.
Ny olana anefa tsy nanam-paharetana,
Tsy ampy angovo irehetana.

Ny nanodidina moa, be mpamendrofendro,
Nampandray an-tendro.
Tsy namporisika ny hioitra mba hitraka,
Fa toa nampivanaka.

Ny tsara ho tadidy, ninoninona atao,
Vitao izao dia izao.
Aza atao fanao ny mangataka andro lava,
Mivonona lalandava.

Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika,
Aza misy ailika.
Ny zavatra rehetra atao tsy ijerena sarany,
Vitao hatramin’ny farany !

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
03 Novambra 2023

Date de dernière mise à jour : Jeu 09 nov 2023

Ajouter un commentaire

 
×