VAVAKA

VAVAKA

Mivavaka aminao ry Ray, eny miankohoka;
Mandohalika, mitalaho ho an’ny Tanindrazanay.
Latsaka lalina, anaty lava-mampikohoka,
Izay raisina sy ilaina toa mandoro, mahamay.

Ireo hita sy banjinina, toa tontolo tena resy;
Misavoritaka isanandro, mampitaintaina anay.
Atao ahoana moa, izao no asan-dry Kotofetsy,
Tarazon'i Imahaka, mamotika ny fiharianay.

Maro loatra ny miseho, tena mampitahotra;
Herisetra, halatra, manerana ny Nosinay.
Ampio, andefaso ny anjelinao tsy hiahotra,
Mba hiaina ampilaminana, izahay sy taranakay.

Mba henoy ry Ray, sentonay mipololoitra;
Ianao no Tompo, mpisolovava anay.
Mino, manantena, fa n’ino-n’inona hipoitra,
Eo Ianao, hiahy anay sy ny Tanindrazanay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 May 2016

Date de dernière mise à jour : Mar 01 août 2023

Ajouter un commentaire