VADY VE?

VADY VE?

Vady ve? Ilay miara-dàlana aminao,
Isan’andro isan’andro,
Na maraina na antoandro.
Vady ve? Olon-tokana,
Iaraha-mirona,iaraha-midola,
Anaty angolangola.

Vady ve? Voavetsovetsonao foana,
Mandavan-taona,
Na voky ianao na noana.
Vady ve? Fiantsoantsonao matetika,
Maraina sy hariva,
Sady eo mandrakariva.

Vady ve? Ilay tsy azo hadinoina,
Na faly na sorena,
Satria tena harena.
Vady ve? Ilay reharehanao,
Hitampifiana sy hiankinana,
Raha tsy te ho sahirana.

Vady ve? Tadidio mandrakariva,
Ampihantao satria tena anao,
Hatramin’izay ka mandrak’izao
Vady ve? taolan-tehezana,
Tsy manan-tsiny, tokam-po toy ny siny,
Raha hadino, mety hananan-tsiny.

Vady ve? Mipetraka,ravaky ny trano,
Tsy ariana sao angano,
Ka mba tazantazano.
Vady ve? Mandeha ravaky ny lalana,
Na matetika, na mahalana,
Ka omeo foana alalana.

Vady ve? Tsy vodin-tsobika ka manan-tandrify,
Fa tena izy mihitsy no tena tandrify.
Vady ve? Izy foana no eo, na taloha,
Na ankehitriny, ho mandrakizay,
Atodiho any foana ny loha,
Sao hananan-tsiny, rahatrizay.

Vady ve? Ilay natolotra anao,
Avy amin’I Jesoa sy Andriamanitra,
Mba hanananao fiainana, hipoky ny soa,
Hatraty an-tany ka hatrany an-danitra!

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
22 Aogositra 2016

Date de dernière mise à jour : Dim 17 oct 2021

Ajouter un commentaire