Créer un site internet

TSY NY TSARA IHANY

TSY NY TSARA IHANY

Maro ny zavatra iainana,
Eo amin'ny andavanandro,
Tena ilam-pandeferana.
Mitaky fotoana isainana,
Hahafahana mitandro,
Tsy hisian'ny hatezerana.

Ao ireo mpanenjika,
Tsy any aloha fa afara.
Mihevitra hamingana,
Mifofotra handrendrika,
Mikendry foana hahatara,
Hanapitra tamingana.

Tsy toko, tsy forohana,
Ireo miezaka mifosa.
Tsy hahataitra izany,
Na misy ny manohana,
Ny andavanandro aleo hisosa,
Izany no fomban’ny tany.

Misy ireo mpanatsatso,
Mahita ny hambakaina,
Hanaratsiana zava-tsara.
Mahavita miantsoantso,
Ireo miroaroa saina,
Ny fotsy hono maramara!

Ao koa ireo mpialona,
Mahita foana holazaina.
Hatrany anatin’ny vilany,
Trondromaina sa amalona?
Izay dia misy hotantaraina,
Sy fanaratsiana sesilany.

Izany ny sain'ny mpanaratsy,
Mifampisintona hampidina,
Tsy mikendry hampitraka.
Toy ny kongona sy parasy,
Samy tsy afaka manidina,
Lany andro mifampikapa.

Na maro aza ny mpanenjika,
Na betsaka koa ny mpialona,
Na misy aza ny mpanatsatso ;
Ny marina hamadika ho herijika,
Hery handrisika  ny hamalona,
Ka ho lasa mamy ny matsatso.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Aprily 2019

Ajouter un commentaire

 
×