Créer un site internet

TSY KISENDRASENDRA AKORY!

TSY KISENDRASENDRA AKORY!

Tsaroana an-tsaina, ampolon-taona maro izay;
Olon-droa, nifanena tao an-toeram-pitsaboana iray.
Ny vavy narahi-maso, ny aretiny tsy mbola hay;
Ny lahy mpianatra mpitsabo, nanao fizaran’asa hahay.

Nandeha ho azy irony tsiky, ny arahaba sesilany.
Tsy mba nieritreritra mihitsy, inona no hiafarany?
Na ito na itsy mantsy, tsy nihevitra ho mpaminany;
Ka hahalala ny hiseho, eo, na am-parany any.

Niha natetika ny fifankahitana, na tsy nisy antony aza.
Nifampiantso, nifanoratra, inona indray no malaza?
Nisangisangy, nivazivazy, moa tsy lasa toy ny zaza;
Mitamberina an-tsaina androany, tiana ny mankalaza.

Nahafinaritra ny itafa, ny ihomehy, ny iresadresaka.
Satry foana ifankahita, na tsy nisy aza ny maresaka.
Na kely aza ny fotoana, nahita irika foana hiresaka.
Izany tokoa rehefa tia, ny zava-drehetra lasa resaka.

Nifankahita, nifampiarahaba, nifampitsiky isanandro,
Tsy andry ny maraina, niposahan’ny tanamasoandro.
Nanontany an’eritreritra, rahoviana no tonga ny andro?
Hiarahana foana, na maraina, na alina, na antoandro.

Aty aoriana vao tsapa, fa hay tsy kisendrasendra akory,
Ny fifanojoan’olon-droa, fa vintana, lahatra tsy nampahory.
Izay  rehetra  natao, nahafinaritra, lavitra ny sorisory.
Tsy nisy ny ahiana, raha vao nidaboka dia resin-tory.

Liana angamba ianao, inona no niafaran’ny tantara?
Be ny azo lazaina, raha fehezina, izao no azo ambara:
Nandeha ny fangatahana, ny soratra, niakatra ny alitara.
Tsy kisendrasendra akory, satria ny vady tena anjara.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Aogositra 1999

Ajouter un commentaire

 
×