Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

TSY HOE MANGINA IZY ...

Tsy hoe mangina izy,
dia midika fa tsisy ny olana,
na efa voavaha ny fatorana ;
ka ho azo atao ny tsy fanao,
amin’izao vaninandro izao.

Tsy hoe mangina izy,
dia tsara, milamina ny fiainany,
tsy misy intsony ny fitarainany ;
mandry fahalemana ny tany,
lavitry ny sento sy ny tomany.

Tsy hoe mangina izy,
dia varimbariana sy resin-tory,
tsy misy intsony ny maha-ory ;
na mandeha ho azy ny fiainana,
tsy miaina anaty fitaintainana.

Tsy hoe mangina izy,
dia manaiky ny zava-misy,
heverin’ny sasany ho tsy misy ;
nosokajina tsy ho mpandrary,
arahana fihetsika, teny maharary.

Tsy hoe mangina izy,
lasa vato taingenam-borona,
toa voadona manara-morona ;
na ombin-tsaretin-dRaleva,
voakaravasy sy voatevateva.

Tsy hoe mangina izy,
dia ianao no manana ny rariny,
nalaina hatramin’ny tanimbariny ;
fa misy farany ny zavatra rehetra,
ny fiainana an-tany koa misy fetra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Novambra 2024

Date de dernière mise à jour : Sat 16 Nov 2024

Ajouter un commentaire

Anti-spam