TSINGERIN-TAONA NY MARIAZY

TSINGERIN-TAONA NY MARIAZY

Mitsingerina indray;
Ilay andro iray malaza,
Efa niainana hatrizay,
Fy na ny iray minitra aza.

Andro isan'ny miavaka,
Amin'ny andro rehetra.
Hamafisina ny vavaka,
Tena aina anie no fetra.

Andro manana tantara;
Tsy hiverenana indroa.
Nefa be ny azo ambara,
Amin'ny fiainan'olon-droa.

Andro iray miraki-boady;
Fifaneken-tsy noterena.
Natao hiainan'ny mpivady,
Anaty fahaleovantena.

Andro iray hanamafisana,
Ny fifamatoran'olon-droa,
Ny tsy fitoviana hokikisana,
Ho mafy orina kokoa.

Andro iray hankalazana,
Ambany elatry ny Tompo.
Ka araraotina hilazana,
Olon-droa hifanompo.

Tsy hadino ny misaotra,
Ny Ray, Tompo Jesoa.
Ny tokantrano anie hivoatra ;
Ho rako-pirariantsoa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2018

Ajouter un commentaire