TSIARO AN'I NENY

TSIARO AN'I NENY

I Neny, ilay hany nitondra,
Sivy volana tao an-kibo;
Ilay niankin-drindrina irery,
No tsaroana ankehitriny,
Mitamberina ao an-tsaina.
Sarobidy noho ny diamondra,
Anaty "raoby" toa nifehikibo,
Moa va re tsy toy ny anjely;
Maotina tsy nanan-tsiny,
Ary tena narani-tsaina.

I Neny, izy ilay nikolokolo.
Nijery izay rehetra nahasoa;
Nitotototo, nihazakazaka,
Nianatsimo, nianavaratra,
Na an-tsaha na an-tànana.
Voakarakarany daholo,
Na ireo Koto, na ireo Soa;
Tsy mba nisy voavakavaka,
Mba ho tratra ilay filamatra,
Tokantrano soa, toa Kanana.

I Neny, ilay hany tsy hadino,
Fa mba ho tsaroana foana,
Any an-toera-misy azy any.
Lasa lavitra any ampitan'ony;
Any amin'ny tsy taza-maso.
Ny olon-tia anefa mino,
Fa mbola ho avy ny fotoana,
Hiverenana amin'ny tany,
Ary hihaonana any ambony,
Ho tapitra eo ny ranomaso.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Jona 2020

Ajouter un commentaire