Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

TSIARO AN'I NENY

TSIARO AN'I NENY

I Neny, ilay hany nitondra,
Sivy volana tao an-kibo;
Ilay niankin-drindrina irery,
No tsaroana ankehitriny,
Mitamberina ao an-tsaina.
Sarobidy noho ny diamondra,
Anaty "raoby" toa nifehikibo,
Moa va re tsy toy ny anjely;
Maotina tsy nanan-tsiny,
Ary tena narani-tsaina.

I Neny, izy ilay nikolokolo.
Nijery izay rehetra nahasoa;
Nitotototo, nihazakazaka,
Nianatsimo, nianavaratra,
Na an-tsaha na an-tànana.
Voakarakarany daholo,
Na ireo Koto, na ireo Soa;
Tsy mba nisy voavakavaka,
Mba ho tratra ilay filamatra,
Tokantrano soa, toa Kanana.

I Neny, ilay hany tsy hadino,
Fa mba ho tsaroana foana,
Any an-toera-misy azy any.
Lasa lavitra any ampitan'ony;
Any amin'ny tsy taza-maso.
Ny olon-tia anefa mino,
Fa mbola ho avy ny fotoana,
Hiverenana amin'ny tany,
Ary hihaonana any ambony,
Ho tapitra eo ny ranomaso.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Jona 2020

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam