Créer un site internet

TSIAHY SY NY HO AVY

TSIAHY SY NY HO AVY

Mahatsiaro, ireo andro fahiny,
Fony mbola maitso volo;
Nihazakaza-tsy nitsahatra,
Nikaroka izay mety kokoa.
Be ny fanomezan-tsiny,
Naka mora, anivon'ny tontolo,
Niezaka, tsy nahalala sasatra,
Hanatrarana izay mahasoa.

Nananosarotra ny lalana;
Niatri-pahasahiranana maro;
Ny miankaviavia, ny miankavanana;
Ny fiampitana ny tetezana;
Ny vao nodiavina, izay nizarana;
Ny asa irery sy ny tagnamaro;
Ny fihafiana, ny tsy fananana;
Ny hazotokana aza nofehezina.

Ny hatsembohan'ny tava moa,
Araka ny voarakitran-tsoratra,
No lalan-kihinanan-kanina,
Mandra-piverina amin-tany.
Mila miezaka, mivaky loha,
Misahirana, mitady ny lafatra;
Tsy lany andro misonanina,
Mba handroso hatrany hatrany.

Ankehitriny, mihafotsy volo;
Mandroso, mihamahazo taona.
Hazo amoron-tevana, efa hadiva;
Masoandro ampara-vodilanitra.
Mamisavisa, intsivy impolo,
Ny hitranga re, ahoana sy ahoana?
Mitaninandro eto ny hariva,
Ny maso atopy any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
14 Jona 2019

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire