Créer un site internet

TIA ANAY IANAO RY TOMPO

TIA ANAY IANAO RY TOMPO

Tia anay ianao, ry Tompo,
Ilay zoky be nitantana;
Satria ny fitiavanao,
No naha toy izao anay.
Na maro aza ireo fandrika,
Na be koa ny sakana,
Raha eo ambany elatrao,
Voaro hatrany rahatrizay.

Tia anay ianao, ry Tompo,
Ilay zoky be izay  niaro.
Ny fahasoavanao tokoa,
Tamin-dalana naleha,
Na teo aza ny hakiviana,
Na ireo zava-nifangaro,
Niova ireny ho zava-tsoa,
Ka lasa indray ho rehareha.

Tia anay Ianao, ry Tompo,
Ilay zoky be tsy nahafoy.
Nandefa ireo anjelinao,
Nitantana, nivimbina,
Nanoro lalana hizorana,
Ny manta niova ho matoy,
Nampanjary izay natao,
Tena niahy sy nitsimbina.

Tia anay ianao, ry Tompo,
Tamin'ny androm-piainanay.
Nampianatra hiezaka,
Hanam-piainana mirindra,
Sy fahatokisana hatrany,
Mba tsy hanadinoanay,  
Fa tsy tsara ny mifezaka,
Ka mankasitraka indrindra.

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Jolay 2019

Date de dernière mise à jour : Ven 15 oct 2021

Ajouter un commentaire

 
×