Créer un site internet

TAPA-KEVITRA IZY

TAPA-KEVITRA IZY

Tapa-kevitra izy ny hisinda any ho any,
Tsy ho eo anivon’ny akany.
Hiala sasatra mandritra ny fotoana maharitra,
Tena dodona tsy aritra.

Tapa-kevitra izy hisidina an’habakabaka any,
Lavitra ny tany.
Hanao tazan-davitra tsy ahita ny zava-misy,
Ny nenina tsy hisy.

Tapa-kevitra izy tsy hisaina ny taloha,
Nahavaky loha.
Hanadino tanteraka ny etraketrakin’ny tany,
Nisy nampitomany.

Tapa-kevitra izy hanisy tsipika manasaraka,
Elanelana malalaka ;
Tsy hifangaroan’ny taloha sy ny ho avy,
Sao mankanavy.

Tapa-kevitra izy fa ampikombona ny vavany,
Ampiondrika ny tavany.
Dia hatraka indray ny maso hijery lavidavitra,
Hibanjina maharitra.

Tapa-kevitra izy hiaina anaty filaminana,
Efa leo ny misahirana.
Hieritreritra ny hahasoa ny tena amin’izay,
Maro be ny vita izay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Janoary 2024

Date de dernière mise à jour : Lun 15 jan 2024

Ajouter un commentaire