Créer un site internet

TAFIODRIVOTRA

TAFIODRIVOTRA

 Voamafy foana ity Firenena ity,
Kilasiana isan’ny mahantra indrindra;
Fahadimy eran-tany, raha jerena
ny filaharana misy azy izay.
Miezaka ihany miarina, mivoatra,
Mandroso ary manova famindra;
Fa tavela foana eo am-piaingana,
Izay no zava-misy tsapa hatrizay.

Ny mahatonga izany, isaky
ny fahavaratra misy tafiodrivotra;
Mitsoka mafy, mandravarava,
Mamotika ny tanindrazanay.
Mampitondra ny mafy ny olon-drehetra,
Na kely na lehibe ts’isy afa-mihodivitra.
Aza mba iantefany ihany, fa ataony
mahita faisana sy tena mahamay.

Izay rehetra jerena, rehefa nandalo
nanavatsava ireo tafio-drivotra;
Tontolo ravarava, potipotika,
Latsaka an-katerena, mila tranolay.
Vonton’alahelo, mitomany, satria ireo
rehetra nohariana tena lasan-drivotra;
Fahantrana miabo, mihalalim-paka
andro aman’alina no dikan’izay.

Fa maninona loatra, no miverina
foana ianareo tafiodrivotra?
Mandalo tsy an-kijanona, mihaodihaody,
Manao ramatahora amin’ity Nosinay.
Misisika ihany, manao amboletra,
Izahay efa leo, ary tofoka rivotra;
Tsy fantatrareo ve, f’efa ampy izay
ankaso nafafinareo taminay!

Ny fanirianay, ry Tompo, aza averina
intsony ireo tafiodrivotra.
Fangatahana ihany, fa Ianao irery
no mahalala ny mahasoa anay.
Miverina ihany, ary tsy misy
fitsaharana ireo tafiodrivotra;
Mampahatsiahy tsy ho variana,
Satria efa akaiky ny farany izay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
08 Marsa 2017

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire

 
×