SOMBIN’NY AINA

SOMBIN’NY AINA

Sombin’ny aina, teny iray miverimberina;
Tononina impolo, injato tsy mianina;
Misy dikany izany, aleo foana hotenenina;
Satria tena manan-danja sy mampilamina.

Sombin’ny aina, mamin’i dada sy neny;
Nampitaintaina, na antoandro na alina.
Nikatsahana foana ny mety hahasoa azy ireny;
Ho rehareha amin’izay ezaka rehetra sahanina.

Sombin’ny aina, maro ny olana mety mandalo.
Aza hadino fa ilay Tompo Andriamanitra;
Mandefa tsy an-kiato ny anjelin’ny lanitra;
Hiaro hatrany amin’ireo fahavalo.

Sombin’ny aina, ho avy koa ny fotoana;
Hivetsoanao hoe: « sombin’ny aiko »;
Tena tsy foiko, mameno ny saiko,
Hitsanganako harovako eo anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Jona 2016

Date de dernière mise à jour : Ven 15 oct 2021

Ajouter un commentaire

 
×