SOA LAVO HAHAY MAMINDRA!

SOA LAVO HAHAY MAMINDRA!

Soa lavo hahay mamindra;
Soa kenda hahay mitsako.
Soa korontana hahay mandrindra;
Soa mangina hahay manako.

Soa mahantra hahay mitsitsy ;
Soa manana hahay manampy.
Soa mototra hahay mitsiky;
Soa latsaka hahay miantsampy.

Soa dondrona hahay mianatra;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra;
Soa mahery hahay malemy.

Soa dondrona hahay mianatra;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra;
Soa mahery hahay malemy.

Leson’ny fiainana daholo izany;
Leson’ny fiainana manitsy anao.
Leson’ny fiainana lalàn’ny tany;
Leson’ny fiainana ka mba araho.

Leson’ny fiainana tsy fanadino;
Leson’ny fiainana manabe.
Leson’ny fiainana, aleo mba mino;
Leson’ny fiainana ka maneke.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
28 May 2017

Ajouter un commentaire

 
×