SAINTSAINO KELY FA ...

SAINTSAINO KELY FA ...

Ny siny feno tsy mba mikobana ;
Ny tsara fototra tsy hita hirodana.
Ny daba foana no manakoako ;
Ny adala no mihomehy tsy miato.

Ny mpivavaka no mahay mitalaho ;
Ny olon-kendry tsy manely tsaho.
Ny voakarama no manao kaonty fako ;
Ny mpisolelaka no mandoka tsy miato.

Ny olo-malina mitsinjo ny ampitso ;
Ny nianatra mieritreritra impito.
Ny olona bado no manaonao foana ;
Ny very saina no tsy manaja fotoana.

Ny te ho tafita misafidy ny lalany ;
Ny misaina mahandry ny anjarany.
Ny jiolahy no mpandatsaka aina ;
Ny kamo no tsy mampiasa saina.

Ny olo-mavitrika tsy miandry tolorana ;
Ny olon-te handroso manala fatorana.
Ny zatra miasa tsy mahalala sasatra ;
Ny tia Firenena miezaka hampakatra.


RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
30 Jolay 2022

Ajouter un commentaire