Créer un site internet

RAY SY RENY

RAY SY RENY

Ireo Ray sy Reny izay nikolo,
Nandritra ny fotoana maro.
Nanomboka tany ambohoka,
Nandia ny andro fahazazana,
Nandalo ny fahatanorana,
Mbola mety hitohy hatrany.

Tena niezaka, nifohafoha volo,
Marain-tsy hariva an-tagnamaro;
Na nitsangana io, na nihohoka,
Niasa foana tsy nety tana;
Hatreny an-tsaha sy an-tanàna,
Raha mbola tany koa ny tany.

Ireo Ray sy Reny  izay  nihafy,
Nanao ho misy ny tsy misy,
Mba hahatafita ireo taranany.
Nisambotra ny ho enti-manana,
Amin'ny vaninandro mahaory,
Nisesisesy, nitambatambatra.

Ka ho anareo zanany, ireo zafy,
Ezaho ary ataovy mba hisy,
Hanampiana ny sisa mba ananany;
Hilaharany am'ireo efa manana,
Lavitra alahelo ts’sy sorisory,
Hiaina, hiadana ary ho sambatra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
17 Janoary 2020

Ajouter un commentaire