Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

RAHA TONGA NY FOTOANA

RAHA TONGA NY FOTOANA

RAHA TONGA NY FOTOANA

Raha tonga ny fotoana handaozana ny tany,
Aoka tsy hisy hitomany ;
Lalana hizoran'ny miankandrefam-bararavarana io,
Mifoaka toa tadio.

Andriamanitra no mandamina ny fiainan'ny tsirairay,
Tsy misy ala safay ;
Izy no mandahatra, ary mbola Izy koa no maka,
Azy irery ny laka.

Efa miezaka isanandro manao ny kely mety ho vita,
Tsy misy mpahita ;
Aleo manetry tena tsy "miwerawera" misehoseho,
Fa mety hankaleo.

Ny vavolombelon'ny mpiasa hono ny bainga,
Tsy misy afaka mandainga ;
Aleo miasa dia ny malaina, mazoto tsy afaka intsony,
Amin'izay tena tony.

Marina tsisy olon-tonga lafatra eto an-tany,
Aleo miezaka hatrany ;
Ho tsara fitondran-tena sy mandala fahamarinana,
Mba tsy ho sahirana.

Mila mifona amin'ny Tompo noho ny fahadisoana vita,
Ny maniry ny ho tafita ;
Mba ho isan'ny voafantina handeha am-paradisa,
Fa tsy angalisa rovi-kazo, ka anarany sisa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 May 2023
--------

Rohy:

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam