Créer un site internet

RAHA TONGA NY FOTOANA

RAHA TONGA NY FOTOANA

RAHA TONGA NY FOTOANA

Raha tonga ny fotoana handaozana ny tany,
Aoka tsy hisy hitomany ;
Lalana hizoran'ny miankandrefam-bararavarana io,
Mifoaka toa tadio.

Andriamanitra no mandamina ny fiainan'ny tsirairay,
Tsy misy ala safay ;
Izy no mandahatra, ary mbola Izy koa no maka,
Azy irery ny laka.

Efa miezaka isanandro manao ny kely mety ho vita,
Tsy misy mpahita ;
Aleo manetry tena tsy "miwerawera" misehoseho,
Fa mety hankaleo.

Ny vavolombelon'ny mpiasa hono ny bainga,
Tsy misy afaka mandainga ;
Aleo miasa dia ny malaina, mazoto tsy afaka intsony,
Amin'izay tena tony.

Marina tsisy olon-tonga lafatra eto an-tany,
Aleo miezaka hatrany ;
Ho tsara fitondran-tena sy mandala fahamarinana,
Mba tsy ho sahirana.

Mila mifona amin'ny Tompo noho ny fahadisoana vita,
Ny maniry ny ho tafita ;
Mba ho isan'ny voafantina handeha am-paradisa,
Fa tsy angalisa rovi-kazo, ka anarany sisa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 May 2023
--------

Rohy:

Ajouter un commentaire

 
×