Créer un site internet

RAHA TOA IANAO KA!

RAHA TOA IANAO KA!

Raha toa ianao hipetraka, hangina tsy hiteny;
Toy ny vatolampy iray, hoy ny oha-pitenenana.
Amin'ny zavatra miseho, eny rehetra rehetra eny;
Dia lazaina hoe "fovato",  tsy ho azo ianteherana.

Raha toa te-hanohy, ny lalanao tsy an-kijanona;
Toy ny ranovelo-mikoriana, any anaty ala any.
Hanadino ireo mpanenjika, na ireo maro mpialona;
Dia holazaina marin-drano, fa olo-miavona eto an-tany.

Raha toa ianao tapa-kevitra, tsy hisaina ny taloha;
Toy ny vorona mandalo, mikopaka elatra dia lasa.
Hijery lavitra hatrany, na mandry, na mifoha;
Hoheverina tsy rototra, amin'izay lazaina tena asa.

Raha toa ianao te-hiroso, hiantsampy eny ampita;
Toy ny sambon-danitra iray, nalefa mafy hisandratra.
Tsy hiraharaha ireo te-hisakana tsy hahatafita;
Hosokajiana: “tsy ampahafirin'izay mba tafakatra”.

Raha toa ianao te-hahomby, amin-javatra atao;
Toy ny maro izay nilofo, tsy mba nahalala sasatra.
Tsy varian-drendrarendra, sy fomba sy haitao;
Dia holazaina tsy hankaiza, ny fiainana hanasatra.

Raha toa ianao hanao izay mba fantatrao fa rariny;
Toy ny raozy iray mamelana, mamerovero, manitra.
Tsy te-hanara-drenirano, ireo mpanao ratsy sy ny tariny;
Holazaina tsy misaina, manonofy ho any an-danitra.

Raha toa ianao te-hiaina, hiova, hanaraka ny Tompo;
Toy ny anjely maro be am-paradisa an-danitra any.
Handao izao tontolo izao, ary vonona hanompo;
Na hisy handrabiraby aza, aza taitra  amin'izany.

Andry Tiana RASAMINDRAKOTROKA
05 Septambra 2018

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire