Créer un site internet

RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY KINASA

RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY KINASA

Mahavariana ny mandinika ny fiainana an-tany;
Indrindra eo anivon'ny fiarahamonina.
Satria ny jerijery, ny fitsabahana hatrany,
No tena manjaka, sady mampiolonolona.

Raha vao mihetsika, dia be mpanontany,
O! ramose, o! ry madama, ho aiza izato ianao?
Miakanjo metimety ny ambony sy ambany.
Mba zarazarao, mba ambarambarao.

Raha iny ianao mba tsotra roboka milaza;
Mivoaka hatramin'ny tsy tokony holazaina.
Tsy lavitra eo akory fa hay te-halaza!
Ampangaina ho kevoka sy te-hoderaina.

Ny mahagaga amin'izao vaninandro izao,
Hita isanandro anaty tambajotra;
Tantaram-piainana adera am’zao tontolo izao,
Tsy ny omaly ihany fa ireo lalana sy zotra.

Ao mihitsy anefa ireo mikendry hamotika.
Mitsikilo isanandro hahafahany mandrava.
Ireo no ory hava-manana mitrotro fo tena lotika.
Mikasa foana hamono sy hampiasa hazo lava.

Koa fahendrena re, ramose sy madama:
Aza tantaraina loatra re ny zavatra atao.
Ra’ tsy izany, hianjera; ny tany anie malama!
Ho sahirana tokoa vao hoe : “akory atao!”.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Aprily 2019

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire

 
×