Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

RAHA MBOLA MISY KOA

RAHA MBOLA MISY KOA

Raha mbola misy koa ny saina mieritreritra,
Handinika lalina, tsy ilana adihevitra.
Hanova  ireo zava-dratsy mitranga,
Ka tsy hisy tomika na hoe koa antsanga!

Raha mbola misy koa, fo mitepo isanandro,
Tsy hisalasala hizara tana-masoandro.
Ho tretrika, sambatra ireo tsivakivolo,
Hitotorebika, fa tsara sy meva ny tontolo.

Raha mbola misy koa ny tany sy ny lanitra;
Ka mivonona hanaiky ny Tompo Andriamanitra.
Inoana fa ho sambatra ary hifalihavanja;
Tsy hifamitaka, na hanao adiantsanga.

Raha mbola misy koa, inoako hisy foana.
Ny fiezahana, ny fikirizana ho zaraina etoana;
Dia ho sambatra sy tretrika ny olona rehetra
Hankalaza nyTompo, ary ho aina no fetra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
18 Jona 2016

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam