Créer un site internet

RAHA MBOLA MISY KOA

RAHA MBOLA MISY KOA

Raha mbola misy koa ny saina mieritreritra,
Handinika lalina, tsy ilana adihevitra.
Hanova  ireo zava-dratsy mitranga,
Ka tsy hisy tomika na hoe koa antsanga!

Raha mbola misy koa, fo mitepo isanandro,
Tsy hisalasala hizara tana-masoandro.
Ho tretrika, sambatra ireo tsivakivolo,
Hitotorebika, fa tsara sy meva ny tontolo.

Raha mbola misy koa ny tany sy ny lanitra;
Ka mivonona hanaiky ny Tompo Andriamanitra.
Inoana fa ho sambatra ary hifalihavanja;
Tsy hifamitaka, na hanao adiantsanga.

Raha mbola misy koa, inoako hisy foana.
Ny fiezahana, ny fikirizana ho zaraina etoana;
Dia ho sambatra sy tretrika ny olona rehetra
Hankalaza nyTompo, ary ho aina no fetra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
18 Jona 2016

Ajouter un commentaire