Créer un site internet

RAHA IZAHO NO HO FILOHA

RAHA IZAHO NO HO FILOHA

Madagasikara Nosy miavaka, meva sy tsara.
Kilasiana koa, ho Firenena mahantra indrindra.
Ny mponiny mivavaka, hatreny amin’ny alitara.
Nosy hanan-karena, raha toa manova famindra.

Ny fandrosoany hiankina amin’izay ho Filoha,
Izaho na ianao na izy samy mety daholo;
Raha mahay manentana ny Malagasy hifoha.
Ho marisika am’izay ny tena hanova ny tontolo.

Raha izaho no ho Filoha, …

Alohan’ny rehetra dia hankinina amin’ny Tompo,
Ny vina sy ny fandrosoana heverina hatao.
Ka Izy hanolo-tsaina ho an’ireo izay hanompo,
Vonona hamadika ity Firenena efa tonta ho vao.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny toe-tsaina miankin-doha mila hovaina tanteraka.
Mba hanan-kambo  amin’izay ka ho tena Malagasy.
Hiezaka hiara-mihoitra, tsy hanao tantireraka.
Hisaina ho tena Malagasy fa tsy vazaha taratasy.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ho vaindohan-draharaha ny fandriampahalemana.
Havaozina ny fampianarana ho araka izay filàna.
Hokajiana ny fahasalamana ho laharam-pahamehana.
Ny olona rehetra ho samy ambanin’ny lalàna.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny fambolena, ny fiompiana ho ezahina hivoatra.
Ny harena ankibon-tany hotrandrahina ara-drariny.
Tsy hisy Malagasy intsony ho tezitra, hitroatra;
Ho tsapa mantsy fa hahazo tombony ny taniny.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny harena an-dranomasina ho an’ny Malagasy.
Tsy ho tompony mangataka atiny fa tena hizaka;
Izay tsy hanaraka izany, avelao hangasihasy.
Tapitra eo ny gaboraraka ny Firenena kosa hitraka.

Raha izaho no ho Filoha, ...

Ny zava-novokarina alohan'ny hanondranana azy ;
Hahodina, hohatsaraina ho lafatra, ka hiaka-bidy.
Mba hisy fiantraikany ho an'ny isam-pianakavy.
Rehefa sambatra avokoa ny olona dia vita ny adidy.

Raha izaho no ho Filoha, …

Hojerena manokana ny lalànan’ny fananan-tany,
Ireo Malagasy nanamainty molaly mba tena hisitraka.
Mifarana hatreo ny vaky fasana, very taolam-paty mitomany.
Hamoraina koa ny famindrana lova ka tsy hisy hisintaka.

Raha izaho no ho Filoha, …

Tsy hisy foko ambony na ambany hozarazaraina;
‘Zay fanaom- panjanaka ahafahany manondrana.
Izany rehetra izany mitaky fiovan-toe-tsaina;
Iray ihany ny Malagasy tsy misy tanivo tanindrana.

Tsy izaho mihitsy anefa no ho Filoha, …

Fa soso-kevitra atsipy sao misy ihany mandray;
Na anjara biriky atolotra hampandroso Firenena.
Ankinina amin’Andriamanitra, Fanahy, Zanaka sy Ray.
Dia azo antoka tanteraka ny hisian’ny fandresena.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
20 Septambra 2018

Ajouter un commentaire