Créer un site internet

POROFO MIVAINGANA

POROFO MIVAINGANA

Porofo mivaingana eo amin’ny mpifankatia,
Ny orokoroka mamy ;
Mifampisakambina, mivoady ny ho doria,
Manorina akany.

Porofo mivaingana ny tokantrano sambatra,
Ny firaisam-po sy saina ;
Irin'olona fa tsy maniry olona, no atao filamatra,
Ho an’ny menaky ny aina.

Porofo mivaingana ny fiaraha-monina mirindra,
Ny fahaiza-miara-miaina ;
Tsy mifanafintohina, miezaka mifandrindra,
No mibahana ao an-tsaina.

Porofo mivaingana ny fandrosoan’ny Firenena,
Ny fihatsaran’ny fiainana ;
Mipaka hatrany anaty vilanin’ny mananotena,
Tsisy intsony fitarainana.

Porofo mivaingana ny tany mandry fahalemana,
Ny miaina am-pilaminana ;
Na aiza na aiza aleha mahazo fankatelemana,
Ny mpitandro filaminana.

Porofo mivaingana tsy mila tenenina,
Ny zavatra vita ;
Ny tanimbary voaasa, ny sobika voatenona,
Tonga dia hita.

Porofo mivaingana ny tena tia fianarana,
Ny misondrotra hatrany ;
Manatsara fahaizana tsy misy fitsaharana,
Raha mbola eto an-tany.

Porofo mivaingana ny kristianina nateraka indray,
Ny fitondran-tena isan'andro ;
Hisitrahana, handovana ny fiainana mandrakizay,
Rehefa tonga ilay andro.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Novambra 2023

Date de dernière mise à jour : Mer 29 nov 2023

Ajouter un commentaire

 
×