NY TOKANTRANO
NY TOKANTRANO
Ny tokantrano izay naorina, nanoloana ny alitara;
Tsy hitoetra fotsiny eny, hijanona ho tantara.
Fa tena hokojaina, amin’ny lafiny rehetra;
Ho lamban’akoho, ka ho tena aina no fetra.
Ny tokantrano toy ny landy, hoy ireo mpikabary;
Anatiny ao manatevina, mba tsy hisy ny mosary.
Hiezahana isanandro, ny hitomboan’ny tanimbary.
Ny tany efitra aza mantsy, ho rakotra voasary.
Ny tokontrano soa, tsy manisa be ho an’ny tena.
Fa ny fikirizana hatrany mba hananana harena;
Mba hahafahana miaina, ka tsy hisy ho sorena,
Na mijanona ao an-trano, na mivoaka miantsena.
Ka miorena tsara, ao an-tokantranonao;
Na mora io na sarotra, ny zavatra hatao.
Ho be ny fitsapana amin’ny androm-piainanao;
Raha vonona hiatrika, tsy rava izao tontolo izao.
Ny tokantrano mantsy, toy irony jiafotsy;
Vao mifampikasokasoka, na mavo io na fotsy.
Tonta tsy ialan-dromoromo, ary mety hamotsifotsy.
Ny fitiavana hamadika izany mba ho lasa rotsirotsy.
Ny tokantrano iray naorina, dia mba hiadanana.
Anilan’ny andefimandry, ary koa mba hiterahana.
Ka ho safononoky ny soa, amin’izay rehetra ananana.
Mangidy lavitry ny faty, mamy anaty hasambarana.
Ho tokantrano tsara fototra, ny tokantranonao.
Hanjakam-pifandeferana, amin’izay rehetra atao.
Ny fifankatiavana, hamadika ny tonta ho vao.
Tsy hadino, n’aiza n’aiza, ny ankohonanao.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Septambra 2016
Ajouter un commentaire