NY RAY AMAN-DRENY RAHA MITENY !

NY RAY AMAN-DRENY RAHA MITENY !

Ny ray aman-dreny raha miteny,
Tsy manery ;
Fa ny hahasoa ny zanany,
Sy ny taranany.

Ny ray aman-dreny raha manoro,
Tsy hanorotoro ;
Fa ny hisoroka ny mety hahazo,
Sy ny tarazo.

Ny ray aman-dreny raha tsy matory,
Be ny sorisory ;
Amin’ny fahasarotan’ny fiainana,
Tsisy itarainana.

Ny ray aman-dreny raha hita kivy,
Toa marikivy ;
Noho ny zava-misy eny rehetra eny,
Manery hiteny.

Ny ray aman-dreny raha malok’endrika,
Toa rendrika ;
Nisy tenin-janaka nandratra ny fony,
Nampalonilony.

Ny ray aman-dreny raha mandefi-dava,
Tsy miloa-bava ;
Hazo amoron-tevana mitaninandro hariva,
Ny fiainany efa hadiva.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Martsa 2023

Ajouter un commentaire