Créer un site internet

NY RARINY SY NY HITSINY

NY RARINY SY NY HITSINY

Ny rariny sy hitsiny, izay dradradradraina,
Aleo horesahina, aleo hotantaraina;
Amin’ny vaninandro manahirana ankitriny,
Fa tsy hodian-tsy hita, sao hananan-tsiny.

Ny rariny sy hitsiny, tsy azon'ny iray tanàna;
Satria fisaka ny rariny, ka sarotra zahana.
Manify koa ny hitsiny, tsy atao tazan-davitra.
Ka mila fahamalinana, raha tiana haharitra.

Ny rariny sy hitsiny, mandamin-java-maro,
Anaty fiaraha-monina tia mampifangaro,
Ny mainty sy ny fotsy, ny diso sy ny marina,
Ho to sy ho azo iainana haha-tafarina.

Ny rariny sy hitsiny, tokony hojerena foana;
Itodihana ny lasa, hotazanina ny manoloana.
Ahafahana mahita, izay hatao sy hoekena
Hampiharina an-kitsim-po, am-panetrentena.

Ny rariny sy hitsiny, tsy tokony hadino,
Teny roa manan-danja, an'izay rehetra mino.
Lazaina am-pahibemaso mba samy hahalala,
Na ireo mpifankatia, na ireo mpifankahala.

Ny rariny sy hitsiny, hoy ny ntaolo teo aloha,
Tokony ho soatoavina, ivakiana loha.
Sainina lalina hatrany ireo zava-misy;
Hahitana ny marina, ny fankahalan-tsy hisy.

Ny rariny sy hitsiny, raha hakapoka ho iray,
Tokony hokajiana foana anio sy mandrakizay.
Hisian'ny fifankatiavana, sy fifanampiana;
Hahafaha-miaina tsara, lavitra fifandrafiana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Febroary 2021

Ajouter un commentaire