NY MPIVADY VE ?

NY MPIVADY

Ny mpivady ve? Olon-droa nifanena, tsy tan-kisendrasendra,
Fa nampihaonin’Andriamanitra, hiara-dàlana, ho lasa iray;
Hiara-hamakivaky fiainana, hiara-kiatrika, eny hiara-kisedra,
Ny onjam-piainana, omaly, anio, ampitso, ary ho mandrakizay.

Ny mpivady ve? samy nanana ny nanabeazana azy,
Na tao an-tokantrano io, na teny manodidina eny;
Tany an-dakilasy, niankina tamin-dray aman-dreniny avy,
Tsy hitovy, samihafa, na iza hivolana, na iza hiteny.

Ny mpivady ve? amim-po tsy miangatra, tany aloha tany,
Mbola vao ilay fitia, nizotra, tsy an-kisalasalana;
Ny tsy nety, nekena ho mety, hiova io am-parany any,
Lalan’ny natiora izany, no lalan-tsy maintsy hombana.

Ny mpivady ve? samy tonga saina, samy tia mivoatra,
Ilay tokantrano izay naorina, tokony hampiady resaka;
Isanandro ka fadiana sy ilaozana ny fihetsika mitroatra,
Hifampihaino, hifandefitra ary hiandrandra tomban’ezaka.

Ny mpivady ve? raha te hanan-tokantrano soa, mahafinaritra,
Tsy tokony hijangajanga, tsy hanam-pihetsika tsy mendrika;
Fa hanaja vady foana, tsy ho variana amin-java-tsy maharitra,
Toy ny akanga  tsara soratra, mandrebireby sy mandrendrika.

Ny mpivady ve? olon-droa miara-dalana, mamakivaky fiainana,
Mety ho mora, mety ho sarotra, ho fidinana, ho fiakarana;
Raha mifampihaino, mifanampy, mampitovy ny fisainana,
Ny tontolo hahafinaritra, tsy hisy rofy, lavitra hasasarana.

Ny mpivady ve? Roa tsy mifankafoy, toy ny rano sy ny vary,
Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena hialofana;
Hifanjohy eny foana, sanatria tsy hifandao, tsy hifanary,
Hasambaran-tonga lafatra, tsy ho azonao totofana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
05 Desambra 2016

Date de dernière mise à jour : Jeu 21 sept 2023

Ajouter un commentaire

 
×