Créer un site internet

NY FITIAVAKO ANAO

NY FITIAVAKO ANAO

Ny fitiavako anao,
Fitia kanto sy madio,
Tsy nasiako tambiny;
Tsy mba toy ny kilalao,
Mandalo toa tadio,
Tsy mba kiambinambiny.

Ny fitiavako anao,
Niroso moramora,
Tsy nampoiziko;
Ho tsara kalitao,
Tsy nahafotsy rora,
Ka tena nankafiziko.

Ny fitiavako anao,
Lasa nikambanantsika,
Ka tena niorim-paka;
Izay rehetra natao,
Dia niarahantsika,
Sy niarahana nizaka.

Raha ny fiarahantsika,
Tsy vitan-jerijery,
Na lasa seho ivelany;
Ka ny endrika sy bika,
No nibahana nanery
Hampivelatra ny felany.

Ny fifankatiavantsika,
Niroso tena matotra,
Nanorenan-tokantrano;
Ny teny mamy nobinitsika,
Nahatonga nifamatotra,
Tsara noho ny angano.

Ny tokantrano niorina,
Ity narahin-jazavavy,
Sy nisinton-jazalahy;
Ka tena mafy orina,
Nijoroan'ny mpianakavy,
Tsy amin'ny ahiahy.

Nihamaro ny taranaka,
Niriaria, nifankatia,
Nifampitsinjo foana;
Raha injay ka tafaraka,
Niezaka hahatehotia,
Nahatratra izay fotoana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Jolay 2019

Ajouter un commentaire