Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

NY FIANARANA

NY FIANARANA

Mianara anaka dia ny mbola malaina,
Fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Anatra omen’ny  ray aman-dreny;
Atolony an’ireo taranaka tsy foiny.
Mba hananan’izy ireo fahavononana,
Hiatrika sy hamakivaky ny fiainana;
Eto amin’ity tany fandalovana,
Mitady handavo, tsy misy hisainana.

Iaraha-mahalala fa ny fianarana,
No hahazoana haitao sy traikefa;
Hilaharana amin'olona efa tafita,
Fa tsy hikilasiana ho mirefarefa.
Hahafaha-miaina, tsy ho mahantra,
Fa ho isan’ny sambatra, isan’ny tretrika.
No hampandroso ity firenena,
Izay indrisy! tsy mitsaha-milentika.

Ny fahaizana mantsy no akora fototra.
Hiaingana, ary hahafaha-manorina;
Firenena vanona, mandroso,  
Milamina ary maha-te-honina.
Miampy singa iray tsy tokony hadino:
Ny famolavolana ny tena maha-olona;
Tsy voakajy matetika rehefa manabe,
Ka ny tokony hilamina, lasa mitambolina.

Ny fianarana, azo lazaina raha izany,
Ho tena lova iray tsara indrindra;
Tsara hapetraka amin'ireo taranaka,
Hananan’izy ireo ilay fiaina-mirindra.
Lova tsara tsy mba mety ho lo, omaly,
Anio sy ampitso ary mandrakizay.
Koa ampianaro sy beazo ny taranaka,
Hanam-pahendrena, sy hifofotra hahay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Desambra 2017

Date de dernière mise à jour : Mon 22 Apr 2024

Ajouter un commentaire

Anti-spam