NY FIANARANA

NY FIANARANA

Mianara anaka dia ny mbola malaina,
Fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Anatra omen’ny  ray aman-dreny;
Atolony an’ireo taranaka tsy foiny.
Mba hananan’izy ireo fahavononana,
Hiatrika sy hamakivaky ny fiainana;
Eto amin’ity tany fandalovana,
Mitady handavo, tsy misy hisainana.

Iaraha-mahalala fa ny fianarana,
No hahazoana haitao sy traikefa;
Hilaharana amin'olona efa tafita,
Fa tsy hikilasiana ho mirefarefa.
Hahafaha-miaina, tsy ho mahantra,
Fa ho isan’ny sambatra, isan’ny tretrika.
No hampandroso ity firenena,
Izay indrisy! tsy mitsaha-milentika.

Ny fahaizana mantsy no akora fototra.
Hiaingana, ary hahafaha-manorina;
Firenena vanona, mandroso,  
Milamina ary maha-te-honina.
Miampy singa iray tsy tokony hadino:
Ny famolavolana ny tena maha-olona;
Tsy voakajy matetika rehefa manabe,
Ka ny tokony hilamina, lasa mitambolina.

Ny fianarana, azo lazaina raha izany,
Ho tena lova iray tsara indrindra;
Tsara hapetraka amin'ireo taranaka,
Hananan’izy ireo ilay fiaina-mirindra.
Lova tsara tsy mba mety ho lo, omaly,
Anio sy ampitso ary mandrakizay.
Koa ampianaro sy beazo ny taranaka,
Hanam-pahendrena, sy hifofotra hahay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Desambra 2017

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire

 
×