Créer un site internet

NY FIAINANA ETO AN-TANY

NY FIAINANA ETO AN-TANY

Ny fiainana eto an-tany,
Iaraha-mahita, mahalala;
Ny ambony lasa ambany,
Mifankatia, mifankahala.
Ny fiainana eto an-tany,
Fanantenana, hakiviana;
Mahafaly, mampitomany,
Hehy, ranomaso mikoriana.

Ny fiainana eto an-tany,
Mahatezitra, mampitony;
Mila fandinihina hatrany,
Ny ambany, lasa ambony.
Ny fiainana eto an-tany,
Raha dinihina, jerena;
Tsy maha mpaminany,
Tampoka dia mahasorena.

Ny fiainana eto an-tany,
Lazaina, ambara etoana;
Tanin-tsiky, tanin-tomany,
Manempotra, hisefoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainan-tokana, miavaka;
Aleo mifankatia hatrany,
Tsy tokony hifanavakavaka.

Ny fiainana eto an-tany,
Tsy fiainana an-jato taona;
Tsy maintsy mody ihany,
Rehefa tonga ny fotoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainam-pandalovana;
Miserana, mandalo ihany,
Ny hiafarany: fahalovana.

Ny fiainana eto an-tany,
Fiainana mila ny Tompo;
Mba ho tretrika hatrany,
Sady faly no manompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019

Ajouter un commentaire