NY ASA FITSABOANA

NY ASA FITSABOANA

Ny asa fitsaboana, ilàna olon-tena malina;
Na amin'ny antoandro, na amin'ny alina.
Mila fahavononana, amin'ny fotoana rehetra;
Mandrisika hianatra, ka aina no fetra.

Ny asa fitsaboana, asa iray mila fitoniana;
Fanajana ny marary, fa tsy fanambaniana,
Amin'ny fotoana rehetra, izay hifaneraserana,
Na an-toeram-pitsaboana, na ankalamanjana.

Ny asa fitsaboana, asa iray tena mendrika,
Hanampy ny marary, hitraka, tsy ho rendrika;
Hahitany fahasitranana, izay iriany mafy,
Vita eto an-toerana, tsy manery ho any an-dafy.

Ny asa fitsaboana, asa mila fandalinana;
Ahitana tsara ny aretina, izay tokony hotiliana.
Ampiasana fanafody, tena mifanandrify;
Ahazoana vokatsoa iainana, fa tsy mampitampify.

Ny asa fitsaboana, asa ilàna fahamarinana;
Ka mila fandalinana, atao am-pahamalinana.
Manara-maso akaiky, izay fivoaran'ny aretina,
Hisian'ny fahombiazana, madio tsy misy pentina.

Ny asa fitsaboana, asa tsy hikevohana;
Ny Tompo manasitrana ny marary manoloana.
Mitaky fo malemy paika, amin'ny ora fandraisana;
Mampitony ny marary, tsy mampitondra faisana.

Ny asa fitsaboana, asa tena sarotra;
Tena fanompoana, tsy isisihan’ady varotra.
Asa nofidiana, tsy natao hampanankarena;
Asa mihaja, iandraiketana, amim-panetrentena.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Jona 2019

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire