NY ASA FAMPIANARANA

NY ASA FAMPIANARANA

Ny asa fampianarana,
Asa iray tena miavaka;
Tsy mitandro hasasarana,
Tsy manavakavaka.

Ny asa fampianarana,
Dia asa iray mihaja;
Misahana ny fanabeazana,
Na olon-tsotra na manan-kaja.

Ny asa fampianarana,
Asa mila fandavan-tena;
Ambara tsy am-pihambana,
Mamolavola olom-pirenena.

Ny asa fampianarana,
Toy ny asa fitsaboana;
Andry tena hiankinana,
Hisian'ny fandrosoana.

Ny asa fampianarana,
Mila fiofanana manokana;
Mba hitondra fivoarana,
Lafy maro fa tsy tokana.

Ny asa fampianarana,
Asa iray nampandeferina;
Faralahy tsy mba manana,
Ny teo ihany no naverina.

Raha jerena akaiky anefa,
Iankinan'ny ho avy;
Ao no tokony hiantefa,
Ny ezaky ny mpianakavy.

Ny tsy tokony ho hadino,
Na inona na inona lazaina;
Na hino ianao na tsy hino,
Izay nianatra tsy ambakaina.

Koa raha tiana ny Firenena,
Omeo ny haja mendrika azy,
Ny mpampianatra mahonena,
Fa aza anaovan-drainazy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Oktobra 2019

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire