Créer un site internet

NANKAIZA HONO NY OLON-TETY

NANKAIZA HONO NY OLON-TETY

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Miantsoantso toa fotsy rora ;
Feo manako, toa manakora ;
Lany ringana ny mety ho akora ;
Rivotra sisa no mitsoka mora.

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Tamboho rava sisa mijoro ;
Hadivory ity efa lasa mikoro ;
Farihy koa efa rako-jozoro ;
Fo  miatrika  izany torotoro.

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Izay jerena toa lasa ngazana ;
Mierikerika tsisy mpitazana ;
Misimisy efa lasan-ko razana ;
Zavaboahary sisa maro karazana.

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Lasa baranahina ny Firenena ;
Gaboraraka ny mety ho harena ;
Malagasy maro lasa mosarena ;
Mandohalika sy mahonena.

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Maro ihany ny avara-pianarana ;
Ray amandreny be fananarana ;
No avela potika hikoroso fahana ;
Ny Firenena hany mba hananana.

Nankaiza hono ny olon-tety ?
Ny matory, mifohaza amin'izay ;
Ireo nobadoana, meteza hahay ;
Ny variandriana, mba miolomay ;
Andao vonjena Tanindrazana may.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Jolay 2022

Ajouter un commentaire