MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA

MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA

Mivavaha, aza mitsahatra,
Amin’ny androm-piainanao;
Ka ny tsara foana no halahatra,
Izay no adidy miandry anao.

Mivavaha, aza mitsahatra,
Maraina, atoandro sy hariva.
Ny fiainanao ho sambatra,
Na mbola ho ela, na efa hadiva.

Mivavaha, aza mitsahatra,
Satria be ny te handavo anao ;
Na ho akaiky io na ho lavitra,
Eo ivoho na manoloana anao.

Mivavaha, aza mitsahatra,
Tsy ela intsony ho tonga,
Ny fotoana izay nalahatra;
Tsy angano na somonga.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Averimberina eto foana.
Satria Satana lava sabatra,
Handiso anao amin’ny fotoana.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Dia ho mpandresy ianao.
Fa ho avy ny fialan-tsasatra,
Ankavanan’ny Tomponao.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Satria ny tanjona rahatrizay,
Dia ny handova sy ho sambatra,
An-tranon-dRay mandrakizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Febroary 2017

Ajouter un commentaire