MITAMBERINA AO AN-TSAINA NY FIANDOHAN’NY TAONA 60

Mitamberina ao an-tsaina ny taona enimpolo,
Nosy iray eo anivon'ny Ranomasina Indianina.
Ny fiainana nahafinaritra, naha velombolo ;
Tsy nisy olana ny fitadiavana ny sakafo nohanina.

Ny renirano sy ny ony tsy nanam-paharitana ;
ny tany voaasa, voavoly, ny tontolo maitso mavana.
Ny mponina raha jerena, toa samy nanam-bitana ;
ny andro, raha iny nanerika, ravahan'ny avana.

Ny fandriampahalemana tsy nahitana olana :
na eny ambonivohitra, na any ambanivohitra,
tsy nahenoina ny namono, na koa ny nanolana.
Ny fitoniana, ny filaminana no tena nivohitra.

Ny seha-panabeazam-panjakana nanana lenta avo,
ifandrotehana, ifaninanana ny nianatra ao.
Na ny zanakin'ny tanivo, na ny zanakin'ny tanavo,
rehefa mendrika sy mahay, dia ao anaty tabilao.

Ny seha-pahasalamana, nanarapenitra sy ampy,
ny fanjakana no niantoka ny rehetra ara-bola.
Tsy nisy fandraisana anjara, tsy niandry mpanampy,
na fiarovana, na fitsaboana tsy nandoavam-bola.

Ny seha-pihariana rehetra samy nanana ny lentany :
na fambolena, na fiompiana, na seha-pamokarana hafa.
Ny olona rehetra samy tia nampiseho ny talentany,
am-pahamarinana, lavitry ny kolikoly, tsisy nihafahafa.

Ilay Nosy Madagasikara sy ny foko valo ambin’ny folo,
ny biby, ny zavamaniry maro, tsy hita na aiza na aiza ;
harena an-kibon'ny tany, andranomasina, naha velombolo,
nomen-janahary, nampiavaka azy, nahafahana nifampitaiza.

Mitamberina ao an-tsaina ny fiandohan’ny taona enimpolo,
niadana, niaina tsara, tena tretrika ny vahoaka malagasy.
Andao hiasa mafy, hiezaka, hivavaka, samy hikolokolo,
ho tafita, tsy amin'ny kolikoly, ary tena hijoro toy ny hasy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
30 Aprily 2025

Date de dernière mise à jour : Jeu 01 mai 2025

Ajouter un commentaire

 
×