MISAOTRA ANAO RY TOMPO!

MISAOTRA ANAO RY TOMPO!

Raha vao mifoha iny aho isa-maraina,
Mahita ny tana-masoandro miposaka;
Manavatsava amim-pahasahiana,
Ato an’efitry ny trano natoriana.
Mivimbina arahaba entina ho zaraina;
Mitondra herijika maro lafy hatosaka.

Ny singa voalohany tonga ao an-tsaina,
Dia ny mitsaoka an'i JesoaTompo;
Niaro sy nitahy nandritra iny alina iny,
Amin'ny loza maro fahita ankehitriny.
Ka mbola nofohaziny isan'ny velon'aina,
Eo anivon'ny natiora hanaiky sy hanompo.

Ny dera, laza, hery, haja, anie no atolotra,
Ho an'Andriamanitra telo izay iray;
Noho ny fitiavany lehibe tsy misy fetra,
Nozarainy mitovy ho antsika rehetra.
Miampy sitraka feno mivoaka ny molotra;
Ho Azy anio, ampitso ary ho mandrakizay.

Harahina, hohajaina mafy anie ny didy folo;
Sy ny fitiavana ny namana toy ny tena ihany.
Halaviri-marin-drano ny manao kolikoly,
Sy ireo fandrika velarin'ny devoly.
Dia ny tsara ihany no hameno ny tontolo;
Eo ambany fitahian'i Jesoa Kristy hatrany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
07 Jona 2019

Ajouter un commentaire