Créer un site internet

MIORENA TSARA AZA MIOVA

MIORENA TSARA AZA MIOVA

Maro ny zava-miseho mandrirotra amin'ny fiainana;
Mampiroroa saina mety hanozongozona fisainana.
Tsy hanara-dalana mahitsy voasoritra hizorana;
Raha izany, tsy ho afaka mihitsy ny fatorana.

Tokantrano maro simba noho ny akanga tsara soratra,
Miezaka handrava mandady toy ny sokatra;
Mampiasa angolangola sy fitaka madinika,
Ho potraka, ho lavo raha tsy miezaka mandinika.

Fihavana-maro rava noho ny fomba tsy voatandrina;
Na fiteny tsy voahevitra ka midona an-tampon-kandrina.
Fitafy tsy mba maotina handratra fo sy saina.
Ilana hofehezina na teny na fitafy ampiasaina.

Eny an-toeram piasana misy fakampanahy;
Misintona hitondra amin'ny fihetsi-mampanahy:
Ny tsy fanajana asa, ny risoriso, ny halatra,
Mampisitri-belona, tsy hifanena amin'olom-pantatra.

Be ny zavatra-mandavo amin'izao tontolo izao;
Rendrarendra maro, famitahana, “be lazao”.
Manintona an-kady, tsy ho tafavoaka intsony;
Ho lasan'ny maizina ny fiainana anjakan-donilony.

Koa miorena tsara aza miova ao an-tokantranonao;
Miorena tsara, aza miova, izay mendrika atao;
Miorena tsara, aza  miova, teny maotina ampitaina;
Miorena tsara, aza miova, fitafy tsara ampiasaina.

Miorena tsara, aza miova, ny asanao sahanina;
Miorena tsara, aza miova, aleo matihanina;
Miorena tsara, aza miova, hitraka, mahatehotia;
Miorena tsara, aza miova, mandrakizay doria.

Miorena tsara, aza miova, hazony ilay finoana;
Miorena tsara, aza miova mandra-pahatongan’ny fotoana;
Miorena tsara, aza miova, mba mazotoa manompo;
Miorena tsara, aza miova, miara-dalana amin'ny Tompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 May 2019

Ajouter un commentaire

 
×