MILA TONGA SAINA!

MILA TONGA SAINA!

Hono hoy aho, ry vahoaka Malagasy;
Maro amintsika no tsy mbola tonga saina,
Mora arebireby, avy eo mangasihasy,
Rehefa avy nobadoina, sy nampiasaina.

Ny firenena malagasy, tsy rotiky ny ady;
Mahantra foana anefa, ary zary mandry fotsy.
Ireo nantenaina,  lany andro miadiady.
Ny ankamaroantsika efa lasa androrosy.

Ilaina hobeazina isika, mba hahay hamakafaka,
Hanavaka ny vary amin'ireo tsimparifary.
Ka tsy ho hampiesonin'ireo tompon daka;
Hanantena lava, eo am-piandrasana marary.

Tsotra, hono, raha te hamotika firenena iray;
Alentika ny fanabeazany sy ny soatoaviny.
Amin'izay samy bado, lasa toy ny bemiray.
Ry zareo, avy eo, manjaka amin'ny hoaviny.

Ny fanabeazana ihany izany no fanalahidy,
Hivoahana amin'ny zava-misy rehetra izao.
Ianao manana talenta, efao re ny adidy,
Tsy hangataka  andro lava, mijoroa ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
20 Febroary 2021

Ajouter un commentaire

 
×