MIEZAHA RAHA TE-HIAINA TSARA
MIEZAHA RAHA TE-HIAINA TSARA
Ny fiainana an-tany, ekena mila fiezahana;
Isa-minitra, isan’ora, isanandro isanandro.
Ny asa fampandrosoana no tokony, hibahana;
Fa tsy zava-tsy misy dikany, mandany andro.
Ny fiainana hono, ho an’ireo mifoha maraina,
Sy miharitory, mamita ny tsy vita ny antoandro.
Mifofotra ihany, na mazoto na malaina;
Hiainana tsara, eto ambany masoandro.
Ny hatsembohan’ny tavanao no hihinanao hanina;
Valin-kasasarana isanandro, isanandro.
Ny fari-piainana hivoatra sy hilamina
Ho hita amin’ny tomban’ezaka isan-kerinandro.
Hihatsara eny hatrany ny fari-piainanao;
Arahim-pifaliana, ra’ miposaka masoandro.
Hiha metimety koa izay rehetra atao ;
Mahatsapa, mahatsiaro tsy nandany andro.
Koa ialao, halaviro ny trafikam-bolabola;
Mikapa an-tsokosoko ny tsy nisasarana,
Tsy andry intsony ny hivadihany vola,
Hiditra hibosesika eo am-baravarana.
Fadio ny migalabona amin-karem-pirenena,
Manararaotra toy ny hitsikitsika sy papango.
Ny rehetra mihamahantra, izy miavosa harena,
Satria ny saina efa zatra manao rapa-dango.
Aza hadinoina, ny fiainana anie mandalo ihany;
Hiposaka, hilentika foana ny masoandro.
Ny fiainana any ankoatra no irio hatrany;
Ho avy toa mpangalatra, na alina na antoandro.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Marsa 2017
Ajouter un commentaire