MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA

MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA

Raha dinihina mantsy ‘reo andro niainana,
Na ireo lasa izany, na ny ankehitriny,
Miampita lavitra tokoa anie ny fisainana,
Tsaroana avokoa hatramin'ny fahiny.

Raha tonga ny andro ilam-panampiana;
Ny akaiky angaha ho rototra amin’izany,
Sahiran-dava, be ny zava-nahasondriana,
Sy nahavariana amin'ny fiainana an-tany.

Nisy tamin'ireo sahy nilaza ho namana,
Nampitandrina fa be, hono, ny loza mitatao;
Toe-tsaina toa ny an'ireo ory hava-manana,
Tsy te hivaky loha, ka akory ny hatao?

Koa iza, hono, no hantsoina mba hijery,
Sy ho tan-tsoroka hanampy raha izany?
Ny tena ihany io, miezàha samy irery,
Fa tsy lany andro mitaraina, mitomany.

Ny lesona azo tsoahina raha izany,
Raha te hahomby amin’izay rehetra atao,
Tsy miankina amin’ny hafa fa ny tena ihany,
Sao lany andro miandry Paoly eo ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 May 2020

Ajouter un commentaire