Créer un site internet

MIBANJINA NY HO AVY

MIBANJINA NY HO AVY

Am-polo taona maro no niarahan-tsika,
andao hitsofana mozika.
Hankalazaina izany fotoana mamy izany,
dia ny mbola eto an-tany.

Tsy toko tsy forohana ny zavatra niseho,
nampiakatra ny feo.
Tsy hita ho tanisaina koa ny zava-tsoa,
naha tretrika tokoa.

Efa vita ny adidy maro amin'ireo zanaka,
ao ny manana taranaka.
Eritreretina amin'izay ny tontolon-tsika,
efa ela no nibitsika.

Andao handeha hitety an'izao tontolo izao,
hitotorebika hilalao.
Isika ihany io, tsisy mpanembatsembana,
mandry fahalemana.

Tsara hamafisina ny fifankatiavan-tsika,
tsy ho tratran'ny hatsiaka.
Hatao mihoatra lavitra ny avo zato heny,
eny rehetra eny.

Hiaraka, hifanjoy,  hifampitantana eny foana,
Ambara-pahatongan'ny fotoana.
Ho an'ny miankandrefam-baravarana rehetra,
Ka aina no fetra.

Tsy hadino ny misaotra an'ny Ray Tsitoha,
isaky ny mifoha.
Satria tsy ho tanteraka izany rehetra izany,
raha tsy avy aminy irery ihany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 Aogositra 2022

Ajouter un commentaire