MBA TANDREMO IHANY E!

MBA TANDREMO IHANY E!

Mba tandremo ihany e ny aloaky ny vava!
Fa mety mandratra izay rehetra mihaino;
Indrindra raha mipoaka sy miverina lava.
Mba diniho sy fanteno ary koa saintsaino.

Mba tandremo ihany e ny fihetsika aseho!
Eny imasom-bahoaka fa maro ny mpisehatra,
Manaraka akaiky izay rehetra hiseho.
Tsy misy aza foronina ka ny misy tsy arehitra!

Mba tandremo ihany e ny akanjo hanaovana!
Ho akanjo maotina tsy mandratra maso.
Fa raha tsy izany dia tena ho lasa fitaovana,
Hifalian’ny mpijanga sy mpanasohaso.

Mba tandremo ihany e ny fiainan-tokantrano!
Tsy ahahaka, tsy entina ankalamanjana.
Fa ny rano raraka mety hampiditra angano;
Toy ny omby mifanosika, miady an-kijana.

Mba tandremo ihany e ny asa iandraiketana!
Tanteraho amin-kaja ho voninahitry ny tena.
Izay rehetra vita tsara tena ho fahafinaretana,
No hitondra fandrosoana sy fahaleovantena.

Mba tandremo ihany e ireo mpiara-monina!
Izay iarahanao miaina isanandro isanandro.
Fadio ny fihetsika, ny toetra mampitambolona,
Ho fitoniana hatrany eo amin'ny andavanandro.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Marsa 2019

Ajouter un commentaire

Sélectionnez l'image visible le moins de fois

Gestion des cookies

andryrasamindrakotroka.e-monsite.com dépose des cookies pour améliorer votre expérience de navigation, mesurer l'audience du site internet, afficher des publicités personnalisées, réaliser des campagnes ciblées et personnaliser l'interface du site.