Créer un site internet

MBA MAILO IHANY E !

MBA MAILO IHANY E !

Mba mailo ihany e !
Eo amin’ny manodidina ;
Sao voa vao manidina.
Ary koa ho fanimpanina ;
Hianjera an-drano lalina.

Mba mailo ihany e !
Be loatra ny mpisompatra ;
Ny fialonana mirongatra.
Maro ireo te-handavo ;
Tiany ianao ho mavomavo.

Mba mailo ihany e !
Aza dia tsotra loatra ;
Avy eo vao mitroatra.
Mila misaintsaina tsara ;
Dia ny mbola tsy tara.

Mba mailo ihany e !
Aza sodokan’ny ivelany ;
Sy ny fivelatry ny felany.
Mety ankoso-bolamena ;
An’ireo mpiady an-tsena.

Mba mailo ihany e !
Lahy tokana ny aina ;
Sao tsy ho vita ny kasaina.
Ny Tompo koa eo foana ;
Miahy anao eo anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Martsa 2023

Date de dernière mise à jour : Jeu 23 mars 2023

Ajouter un commentaire